Écoutez le conte : Rehefa tonga ilay andro ka hihamaitso ny Sahara
Опубликовано:
Слушать
Tsy tany efitra foana akory ny Sahara hatrizay : Tany kanto sady maitso izy io fahiny.
Henoy ny rivotra, izany, mitomany ny Sahara. Tia hiverina ho maitso izy.
Tsy tany efitra foana akory ny Sahara hatrizay : Tany kanto sady maitso izy io fahiny.
Nanaja fatratra ny natiora ny mponina tao ary niadana tokoa.
Nihaza, niompy, ary namboly no anton-draharahan’izy ireo. Tian’izy ireo ny taniny ary ny taniny koa tia azy ireo.
Naka laka niaraka tamin’ny fahatongavan’ireo olona tia vola ny fahoriana.
Tsy tonga hitady fiadanana akory ireo olona ireo fa ny fangoron-karena no laharam-pahamehany .
Tsy mba nahay nionona izy ireo fa nitady tombony hatrany
Rehefa mihaza izy ireo dia vonovonoiny fotsiny ny biby. Tsy hoe mba ho hanina akory fa nataon’izy ireo hampiderana fahakingana.
Nokapakapainy ny ala, tsy mba hoe nalainy natao ho fiarovana amin’ny orana na ny masoandro, fa nampiasainy nananganany lapa
Ny fanaon’ireto olona matim-bola ireto no nandratra ny Sahara
Hany ka nanapa-kevitra ho lasa tany efitra izy.
Na izany aza dia nisy tamin’ireo mponina no mbola nijanona nohon’ny fitiavany azy.
Ontsa azy ireo ny Sahara.
Ka mba ho fisaorana ny fitiavana avy amin-dry zareo dia notolorany lonaka vitsivitsy ary koa ny moron’ny ony Niger.
Nanomboka teo dia oryizy.
Henoy ny rivotra: izany, mitomany ny Sahara. Tia hiverina ho maitso izy.
Indray andro, nanontany olon-kendry iray izy ny fomba hamerenana ny ny rindra sy ny lamina nisy tamin’ny andro fahiny.
Dia hoy ilay olon-kendry: “ Mitadiava olona mahitsy sy manam-panahy ary manaja ny natiora”.
Dia nampiany hoe: “ Indray andro any, hisy lehilahy iray ho avy hanome aina indray ny bozaka sy ny hazo naniry teto tamin’ny andro fahizay.”
Mahitsy ary manam-panahy izy. Atokany ho an’ny zavamaniry ny fiainany
Kanefa mba hahitany indray ilay Paradisa very dia tsy maintsy mivoaka mpandresy amin’ ireto olona tia vola be ireto izy. Ho sarotra ihany anefa izany.
Soa ihany fa hisy mpanampy mahafatra-po iray hanampy azy hihoatra ny sakana rehetra misy, ary koa handresy ireo fahavalony.
Io olona io no manana ny ambioka hanamaitso anao indray.
Henoy ny rivotra izany, mitomany ny Sahara. Miandry ilay olona mahitsy sy manam-panahy izy hanamaitso azy indray.
Arakaraky ny hanajan-tsika ny natiora diamitombony fitiavana azy, ka ho faingana ny iverenan’ny tany efitra ho maitso.